L’endroit où chaque emploi et chaque logement trouve son juste destin.
Anisan’ny mibahana fotoana be ho an’ny mpianatra ny fandehanana any an-tsekoly ( lycées, unversités) sy ny fanomanana fanadinana. Tsara be ilay hoe miezaka mifantoka be amin’ny fianarana mba hahazo naoty tsara, ary maniry ny hanana asa tsara avy eo nefa tsy ampy izany. Mbola misy tokony hatao mifanindrann-dalana amin’izay mba hahatratrarana ilay tanjona.
Satria isika eto Madagasikara, dia tsy tonga ho azy miaraka amin’ny “diplôme” ny “opportunités” fa kosa miaraka amin’ny : fitiavana tia karokaroka (savoir se débrouiller), traikefa (expériences), fihaonana ( rencontres, réseau).
Anisa’ny voalohany azo atao ny fanaovana zava-baovao rehefa fotoanan’ny fialantsasatra iny( vacances), omanina dieny mialoha ilay izy , 2 volana mialoha ny vacance dia efa mijerijery sahady :
Voalohany, midirà amina « clubs » na « associations » (clubs universitaire, groupes religieux, groupes culturels, associations sportives. Mampivelatra ara-tsaina, amin’ny maha olona ary ara-panahy izy ireny. Afaka hahitana opportunités maro, hananana “résautages”.
Manaraka izany, miezaha manatrika ilay évènement (salon professionnels, conférences, ateliers, expositions) ireny raha manam-potoana. Hahitana zava-baovao be ireny sady mampivelatra ny saina.
Fanampin’izany, miresaka amin’olona ( zoky) toy ny mpampianatra satria izy ireny dia mahafantatra ny mpianany taloha efa tafita dia afaka ahontaniana azy ny « parcours »ireny mpianany ireny. Ny mpandraharaha koa afaka anontaniana, izy ireny afaka manome torohevitra amin’ny fandraharahana
Amin’ity herinandro ity dia miresaha amin’olona “inspirante” fantatrao.
Amin’ity volana ity, manatreha évènement iray na midira amina ckub iray.
Ao anatin’ny 3 volana, ataovy izay hanananao “contact” olona ilainao amin’ny fiainanao, olona izay afaka manoro hevitra anao.
Ry mpianatra Malagasy, zava-dehibe ny fianarana fa fitaovana fotsiny izy ireny, ny fahombazanao dia miankina amin’ny zavatra ataonao sy ireo olona nifanreasera aminao teo amin’ny lalam-piainanao.
Zarao amin’ny namanao , ilay tsy miheritreritra afa-tsy fianarana ity lahatsoratra ity.
Publier le : 24 Nov 2023
https://www.bojibojy.mg