Bojibojy.mg Plateforme

L’endroit où chaque emploi et chaque logement trouve son juste destin.

Rehefa mbola mpianatra dia miezaha mamantatra ireo “opportunités” misy ivelan’ny fianarana


Anisan’ny mibahana fotoana be ho an’ny mpianatra ny fandehanana any an-tsekoly ( lycées, unversités) sy ny fanomanana fanadinana. Tsara be ilay hoe miezaka mifantoka be amin’ny fianarana mba hahazo naoty tsara, ary maniry ny hanana asa tsara avy eo nefa tsy ampy izany. Mbola misy tokony hatao mifanindrann-dalana amin’izay mba hahatratrarana ilay tanjona. 

Satria isika eto Madagasikara, dia tsy tonga ho azy miaraka amin’ny “diplôme” ny “opportunités” fa kosa miaraka amin’ny : fitiavana tia karokaroka (savoir se débrouiller), traikefa (expériences), fihaonana ( rencontres, réseau).

 

Ahoana ary fomba atao?

Anisa’ny voalohany azo atao ny fanaovana zava-baovao rehefa fotoanan’ny fialantsasatra iny( vacances), omanina dieny mialoha ilay izy , 2 volana mialoha ny vacance dia efa mijerijery sahady : 

  •                        -            Fianarana afaka atao ( cours de langue, informatique bureautique, instruments de musique, ….) ireo domaines mahaliana anao na zavatra hita hoe tokony ho hay amin’izao vaninandro izao.
  •                       -            Raha tsy manana vola hianarana dia afaka mianatra asa (stage) indray no atao, tsy hoe rehefa troisième années (L3) na masters (M) vao manao stage fa na vao afaka bacc aza dia efa afaka manao stage. Maro ny orinasa eto madagasikara mandray stagiaire (1 mois à 6 mois). Iny dia efa fomba ahafantaranao mialoha ny any amin’ny sehetry ny asa sahady. Na manana tanjona hanao mpandraharaha na hiditra amin’ny sehetry ny orinasa aza ianao dia ilainao foana ireny “experiences” ireny. 

 

Ahoana ary no fomba ahitana “ opportunités”?

Voalohany, midirà amina « clubs » na « associations » (clubs universitaire, groupes religieux, groupes culturels, associations sportives. Mampivelatra ara-tsaina, amin’ny maha olona ary ara-panahy izy ireny. Afaka hahitana opportunités maro, hananana “résautages”.

Manaraka izany, miezaha manatrika ilay évènement (salon professionnels, conférences, ateliers, expositions)  ireny raha manam-potoana. Hahitana zava-baovao be ireny sady mampivelatra ny saina.

Fanampin’izany, miresaka amin’olona ( zoky) toy ny mpampianatra satria izy ireny dia mahafantatra ny mpianany taloha efa tafita dia afaka ahontaniana azy ny «  parcours »ireny mpianany ireny. Ny mpandraharaha  koa afaka anontaniana, izy ireny afaka manome torohevitra amin’ny fandraharahana

 

Ahoana ny hanombohana azy dieny izao ?

Amin’ity herinandro ity dia miresaha amin’olona “inspirante” fantatrao.

Amin’ity volana ity, manatreha évènement iray na midira amina ckub iray.

Ao anatin’ny 3 volana, ataovy izay hanananao “contact” olona ilainao amin’ny fiainanao, olona izay afaka manoro hevitra anao.

 

Ry mpianatra Malagasy, zava-dehibe ny fianarana fa fitaovana fotsiny izy ireny, ny fahombazanao dia miankina amin’ny zavatra ataonao sy ireo olona nifanreasera aminao teo amin’ny lalam-piainanao.

 

Zarao amin’ny namanao , ilay tsy miheritreritra afa-tsy fianarana ity lahatsoratra ity.

Publier le : 24 Nov 2023

https://www.bojibojy.mg